MARANI-TSAINA
MANDROSO
Manana ny fahaizana sy fahalalana izahay. Manana ireo fiaraha-miasa efa mipetraka. Tsapanay ny maha zava-dehibe io tetikasanay io ho an’ny olona aman-tapitrisany manerana an’i Madagasikara sy maneran-tany. Tena zava-dehibe ny fanohananao.
Miaraka amin’ny fanohananao dia ho lasa modely mamiratra amin’ny fanatsaràna ny fiainan’olona ny fandraisanao andraikitra amin’ny vahoaka sy ny fahasalaman’ny tany. Modely izay hanaitra ireo firenena hafa. Ny fanohananao ny tetikasa toetrandro-mahay ho an’ny fahasalamam-bahoaka dia hisy fiantraikany lehibe maneran-tany.
Efa 20 taona no nanaovan’i Chris Golden, mpitarika...
Efa 20 taona no nanaovan’i Chris Golden, mpitarika ny tetikasa toetrandro-mahay ho an’ny fahasalamam-bahoaka, fikarohana teto Madagasikara ary tamin’ny taona 2017 dia izy no nitarika ny ekipan’ny Banky Iraisam-pirenena izay nanadihady ny mety hofiantrehan’i Madagasikara ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny fahasalamana.Nanomboka tamin’izay dia niara-niasa tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo ministera hafa izy amin’izay mety paikady hiantrehana io fiovan’ny toetrandro io.

Tanatin’ny 2 taona lasa dia nametraka tetikasa entina anaraha-maso ny fahasalaman’ny olona mivantana eny an-tanàna ankodaoda i Chris Golden. Nahitam-pahombiazana ilay tetikasa ary tanàna miisa 30 any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara no hampidirina anatin’ilay tetikasa. Ny asa ataony io dia entina handrafetana ilay fanaraha-maso ny fahasalaman’ny olona eto Madagasikara.

Tena zava-dehibe aminay ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny Management Sciences for Health (MSH) izay fikambanana tsy miankina miara-miasa amin’ny fitodram-panjakana, ny fiarahamonina sivily, ny sehatra miahy sy ireo mpitsabo mba hanamboatra ny sadan-tohitra sy rafim-pahalalana ara-pahasalamana lovainjafy. Ny iraka tontosainy dia ny hanavotra aina sy hanatsara ny fahasalaman’ny olona tena mahantra sy marefo amin’ny fampiasana ny fahalalana amin’ny fidinana an-tsehatra. Mitentina $90 tapitrisa ny tetikasa izay maharitra 5 taona ary nanomboka tamin’ny Aprily 2019 mba entiny hampitomboana ny kalitaon’ny tolodraharaha ara-pahasalamana, hanatsaràna ny fototradrafitrasa, hanamafisana ny rafim-pahalalana ara-pahasalamana, sy fampianarana fomba fitondran-tena mahasalamana eny anivon’ny fiaraha-monina. Ny tetikasanay dia hanatsara ny rafim-pahalalana efa misy ary hampifandray ireo antontan’isa ara-pahasalamana amin’ny rafim-pahalalana izay apetrakay (jerevo ny sarin-tany).
NY FOTOTRY NY FAHOMBIAZANA
Ny mpikaroka ao amin’ny Harvard Chan dia efa saika manao fikarohana manerana an’i Madagasikara ary manana fifandraisana akaiky amin’ireo ministera isan-karazany indrindra fa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
     TAONA 3     TAONA 4 SY 5      • Manatsara ny...
TAONA 3
TAONA 4 SY 5
• Manatsara ny rafim-pahalalana napetraka  ary mbola manohy ny fampihofanana ho an’ny mpanentana ara-pahasalamana.
• Pilot interministerial interventions based on climate-smart public health.·Mitarika filantsahana an-tsehatra marolafy iarahan’ireo ministera izay miainga avy amin’ny toetrandro-mahay ho an’ny fahasalamam-bahoaka.
• Fampihofanana ny mpiasam-panjakana amin’ny fidinana an-tsehatra avy amin’ilay toetrandro-mahay ho an’ny fahasalamam-bahoaka.
• Hijery ny fiantraikan’ny fidinana an-tsehatra natao miaraka amin’ilay rafim-pahalalana.
• Fampihofanana ireo mpianatra manao “doctorat” mikasika ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiasan’ny fahasalamana mikasika ny epidemiôlôjia, ny biôstatistika, ny fahasalamana ara-tsaina ary sehetra hafa.

• Fampiasana sy fanadihadiana ny antontan’isa samihafa mba hafahan’ny ministera manao drafitra amin’ny fidinana an-tsehatra.


 TAONA 1 sy 2     • Fananganana ilay...
TAONA 1 sy 2
• Fananganana ilay rafim-pahalalana avo lenta ho an’ny fahasalamam-bahoaka izay ahitana ireo antontan’isa rehetra mikasika ny fahasalama azo avy amin’ireo tobim-pahasalamana ara-panjakana izay mba hahafahana manao fanadihadiana isam-paritra sy anatin’ny fotoana maharitra.
• Manomboka manangona ireo antontan’isa ara-pahasalamana, ara-ekolojika, ara-toetrandro, ara-pambolena sy ara-piompiana ary hafa eny anivon’ny fiaraha-monina sy manerana ny nosy mba hafahana maminany sy manadihady.
• Miara-miasa sy mampihofana ireo mpanentana ara-pahasalamana eraky ny Madagasikara.• Manambatra ireo antontan’isa ara-toetrandro, ara-ekôlôjika, sy ara-pambolena sy ara-piompiana ho an’ilay rafim-pahalalana.
• Fanombohana ny fampihofanana ho an’ny mpanentana ara-pahasalamana.
• Fanombohona ny fanamafisana ny rafim-pahasalamana amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

NY DRAFITRA
Ao anatin’ny 5 taona no hanatanterahana ny tetikasa CHAMP izay tarihan’ny sekolin’ny Harvard Chan:
  NY FANDRIPAHANA ALA DIA MAMPITOMBO NY TOERANA...
NY FANDRIPAHANA ALA DIA MAMPITOMBO NY TOERANA HANATODIZAN’NY MOKA IZAY LASA MITARIKA AMIN’NY FIFINDRAN’NY TAZO MOKA AMIN’NY OLONA MARO. 

Ny sary avy amin’ny zanabolana dia hafahana mahita ny fivoaran’ny fahandripahana ala ary hampifandraisina amin’ny antontan’isa hafa avy amin’ny CHAMP mba hafahana maninany ny mety hofisian’ny aretina tazo moka amin’ny toerana iray. Afaka mandray andraikitra mialoha amin’ny fandripahana ala sy ny aretina tazo moka ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy.
  NY SARY SATELITA DIA MANOME FAMPAHALALANA MIKASIKA NY...
NY SARY SATELITA DIA MANOME FAMPAHALALANA MIKASIKA NY TOE-TANY IZAY MISY FIANTRAIKANY AMIN’NY VOKATRA AZO.

Miaraka amin’ireo antontan’isa azo avy amin’ny zanabolana dia hisy fampanarahana toetrandro isaky ny 3 andro amin’ny antontan’isa izay hampifandraisina amin’ny rafitra CHAMP, izay afaka haminaniana ny vokatra mety tsy ho azo amin’ny toerana iray enim-bolana mialoha.Ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Jono miaraka amin’ny ONN dia afaka mandray andraikitra amin’ny fanampiana ara-tsakafo aloha ny fotoanan’ny mosary.
  Ny mpanentana ara-pahasalamana dia afaka manara-maso ny...
Ny mpanentana ara-pahasalamana dia afaka manara-maso ny fahasalaman’ny olona tsirairay sy ny fahasalaman’ny mponina mandavan-taona.
FAHAMPALALANA HO’ANY FIDINANA AN-TSEHATRA
MARANI-TSAINA
 MINISTERAN’NY GOVERNEMANTA MALAGASY EFATRA  no efa...
MINISTERAN’NY GOVERNEMANTA MALAGASY EFATRA no efa nanao sonia amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa toetrandro-mahay ho an’ny fahasalamam-bahoaka izay novolavolain’ny mpikaroka ao Harvard. Ity fiaraha-miasa eo amin’ny firenena Avaratra sy Atsimo ity dia mba hafahan’ny governemanta Malagasy tena hahay hampiasa ireo antontan’isa misy eo aminy ary hanampy ny ministera samihafa handrindra miaraka ny fidinana an-tsehatra.
FIARAHA-MIASA HO AN’NY FIARAHA-MONINA LOVAINJAFY SY SALAMA
Inona no zavatra mety ho vita rehefa mahatsapa ny ministera samihafa fa misy ny andraikitra mifameno sy mifampiankina entina hanatsarana ny fiainam-bahoaka?
Havondronay ny fahampalalana sy antontan’isa misy...
NY SEKOLIN’NY HARVARD CHAN SY NY IREO MPIARA-MIASA AMINY ETO MADAGASIKARA DIA HANAGANA RAFITRAN’ANTONTAN’ISA izay hafahan’ny governemanta Malagasy, ny mpiasan’ny fahasalamana, ary ny FTMF haminany sy hitantana krizy ara-pahasalamana sy ny izay mety filàna ankehitriny.
Havondronay ny fahampalalana sy antontan’isa misy avy amin’ny toeram-pitsabom-panjakana miaraka amin’ny tetikasa vaovao entina hanaraha-maso ny fahasalaman’ny olona mivantana eny an-tanàna mba hafahanay manamboatra rafitra izay afaka maminany sy manao drafitraary hanamboatra fomba hanangonana antontan’isa malaky sy ahitana ireo zavatra maro samihafa.

Ny fikasan’ny governemanta hametraka mpanentana ara-pahasalamana roa isaky ny tanàna miisa 17,000 dia tena hampitombo ny fahafahan’ny governemanta, ny FTMF, sy ny mpikaroka hahafantatra ny fampahalalana ara-pahasalaman’ny mponina miaraka amin’ny fanampianareo. Ny tanjonay dia ny hametraka fanaraha-mason’ny fahasalaman’ny olona mivantana eny an-tanàna ary ny ekipan’ny Harvard Chan dia hampihofana ireo mpanentana ara-pahasalamana amin’ny fomba fanangonana antontan’isa. Mahazo tombony amin’izany fihofanana izany ireo mpanentana ara-pahasalamana satria afaka mamantatra sy mahita ny fivoaran’ny fahasalamana eny amin’ny tanàna misy azy tsirairay.

Ny rafim-pahalalana CHAMP dia ahitàna karazana antontan’isa mikasika toetrandro, ny fambolena sy ny fiompiana, ary ireo karazana antontan’isa mikasika ny tontonlo iainana izay misy fiantraikany amin’ny fahasalamana. Ireo mpikaroka ao Harvard, FTMF, ary ireo mpiasam-panjakana dia hiasa amin’ilay haitao namboarin’ny BAO Systems, orinasa izay manamboatra fotodrafitrasa ho an’ny antontan’isa mikasika ny epidemiôlôjia, mba hahazoana rafim-pahalalana izay sanda-tohitrana, mora ampiasana, ary mahay.
Fotodrafitrasam-pahalalana ho an’ny sandan-tohitra
Madagasikara dia tsy mbola manana toby tokana mangona ny antontan’isa entina hanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka sy ny ireo karazana aretina. Tsy misy koa ny rafitra entina hanaraha-maso ny fivoaran’ny tontolo iainana izay mety misy fiantraikany amin’ny fahasalamana. Mba hampahomby ny toetrandro-mahay ho an’ny fahasalamam-bahoaka dia ilaina ny fahalalàna ny fivoaran’ny tontolo iainana sy ny fahasalamam-bahoaka mba hafahana midina antsehatra sy hafahana manao drafitra maharitra mba entina hisorohana ny valanaretina mety hitranga amin’ny ho avy.
 TANJONA MIFAMEMO       The Climate, Health, and...
TANJONA MIFAMEMO

The Climate, Health, and Agricultural Monitoring and Prediction (CHAMP)na Ny Fanahara-maso sy ny Faminaniana ny Toetrandro, ny Fahasalamana, ny Fambolena sy Fiompiana izay ho tarihan’ny Harvard sy ireo ministera hafa dia hanamafy ny tontolon’ny rafim-pahasalamana eto Madagasikara,

HANDRAFITRA NY FOTODRAFITRASA AMIN’NY RAFIM-PAHALALANA HO AN’I MADAGASIKARA IZAHAY, izay hifandraisan’ny sary alefan’ireo zanabolana sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny olona izay atao mivantana eny an-tanàna, ny faminavinàna malaky, ary ny fandrindràna ny fahasalamam-bahoaka.

HANAMPY AMIN’NY ALALAN’IREO ZAVATRA HITA SY AMIN’NY ALALAN’NY FAMINANIANA amin’ny fanatanterahana ny politika marolafin’ny ministera amin’ny lafiny ara-pahasalamana, ara-piompiana sy ara-pambolena, ny ara-totonlo iainana, ary ny fampandrosoana eny ambanivohitra
Ny haintany, ny doro tanety, ny tondran-drano dia...
Ny haintany, ny doro tanety, ny tondran-drano dia mitarika amin’ny fahasimban’ny voly ka mitarika amin’ny tsy fanjariantsakafo ary manosika ny olona hifindra monina sy miteraka tsy fahasalamana ara-tsaina.
Ny fitombon’ny rivo-doza dia mitarika amin’ny...
Ny fitombon’ny rivo-doza dia mitarika amin’ny fahasimban’ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana ary miteraka fiantraikany maharitra amin’ny fahasalamana ara-tsaina.
Hanova an’i Madagasikara ho lasa foiben’ny fahasalamana, ny sanda-tohitra, sy ny fanavaozana
Ny sekolin’ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Oniversiten’ny Harvard “Harvard T.H Chan School of Public Health” dia manam-pahalalana sy traikefa amin’ny fanampiana ny ny governemanta Malagasy entina hanatsaràna ny fahasalamana sy ny fiainan’ny olona aman-tapitrisa ao Magadasikara. Hisy ny rafim-pahalalana mikasika ny fahasalamam-bahoaka marolafy toy ny toetrandro, ny tontolo iainana, ny fambolena sy fiompiana ary ny fahasalamana izay tarihan’ny Harvard mba entina hahalalana ny fifandraisan’ireo sehetra ireo amin’ny fahasalamana.

TOETRANDRO-MAHAY HO AN’NY FAHASALAM-BAHOAKA HO AN’NY REHETRA: Madagasikara


Ny 78% ny Malagasy dia mihaina anatin’ny...
Ny 78% ny Malagasy dia mihaina anatin’ny fahantrana. Ny tahan’ny fahafatesan’ny reny eo am-piterahana dia anisan’ny avo indrindra eran-tany. Ny tahan’ny zaza maty latsaky ny 5 taona dia 6% ary saika antsasan’ny mponina dia voan’ny tsy fanjariantsakafo. Ny ankamaroan’ny olona dia saika mipetraka any ambanivohitra amin’ny toerana sarotra handehanana ka vao maika manasarotra ny fitsaboam-bahoaka. Antsasan’ny mponina Malagasydia mipetra 5 kilometatra na mihoatra ny toeram-pitsaboana ara-panjakana. Noho ny fiovan’ny toetrandro izay mitarika hain-tany, tondran-drano, ary fiovàna hafa eo amin’ny tontolo iaina izay manimba ny fambolena sy fiompiana ary ny fiainan’ny olombelona dia mitarika vokadratsy hafa toa ny tsy fanjariantsakafo sy tsy fandriam-pahalemana raha tsy misy ny fandraisan’andraikiatra voarindra.

Ny firenena maro ao amin’ny kaontinanta Afrikanina dia lasa foiben’ny fanavaozana, ary ny governemanta Malagasy dia efa ela no naka toro-hevitra tamin’ny mpikaroka avy ao amin’ny sekolin’ny fahasalamam-bahoaka ao Harvard amin’ny fametrahana fotodrafitrasa ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Ny firenena misedra olana maro samihafa ve afaka manao dingana lehibe mihoatra ny firenena hafa amin’ny fametrahana fotodrafitrasa ara-pahasalamana mahay, lovainjafy ary mba hafahana miatrika mialoha ny ho avy izay mety tsy hampoizina?

Eny ny valiny raha toa ka miaraka amin’ny fanampianareo.
MARANI-TSAINA
Ny antony mahatonga ny fahasalamam-bahoaka tokony ho toetrandro-mahay
Ny fiovan’ny toetrandro sy ireo fiovàna hafa ara-tontolo iainana dia miteraka vokadratsy mivainga ary hita maso amin’ny fahasalaman’ny olombelona indindra amin’ny firenena marefo toa an’i Madagasikara. Ohatra:
Chris Golden, mpikaroka ao amin’ny Harvard Chan,...
Chris Golden, mpikaroka ao amin’ny Harvard Chan, dia nahita fa maro ny Malagasy miankina amin’ny sakafodia mba ahazoana ireo otrikaina tena ilain’ny vatana. Ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny jono, fihazàna bibidia miompampana, sy ny fahasimban’ny tontolo iainana dia vao maika mety hanamafy ny tsy fanjariantsakafo efa misy.
Ny fiovan’ny toetrandro sy ny fahasimban’ny...
Ny fiovan’ny toetrandro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana dia misy fiantraikany amin’ny ireo karazana aretina mifindra: ny fitombon’ny maro-pana sy rotsa-korana dia mampiroborobo ny fitombon’ny fanatodizan’ny moka izay mitarika  fitomboan’ny aretina tazo moka, ary fahasimban’ny tontolo iainana kosa dia lasa misy fiantraikany amin’ny fifampiakinan’ny biby mpihàza sy ny biby hihàzany izay mitazona ireo aretina schistosomiasis ho voafehy.
Mba hafahana mahita fahombiazana amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka dia tokony jerena daholo ireo rafitra maro izay miantraika amin’ny fiainan’olona. Noho ny fioavan’ny toetrandro izay mitarika fikorontanan-dratsy amin’ny tontolo iainana dia tokony voafehin’ny governemanta ny maminany ny ho avy sy ny fomba mety hiantrehana nyloza mety hiseho.

Mahery MG

Website via Visura

Mahery MG is integrated to:
Visura site builder, a tool to grow your photography business
Visura's network for visual storytellers and journalists
A photography & film archive by Visura
Photography grants, open calls, and contests
A newsfeed for visual storytellers