Tamin’ny fitsidihana voalohana nataon’i Dr...
Tamin’ny fitsidihana voalohana nataon’i Dr Christopher Golden taminy 2004 tany Maroantsetra no niatombohan’i Madagascar Health and Environmental Research (MAHERY). Ny fikarohana izay ataony dia mikasika momba ny fifandraisan’ny fahasamalam-bahoaka sy ny tontolo iainana, izay ampandraisany anjara mavitrika ireo mpianatra sy ny mponina eny ifotony amin’ny fanatanterahana ny fikarohana izay ataony. Ny fikarohana izay natao taty aoriana kosa anefa dia tsy fikarohana niainga avy amin’ny hevitr’i Dr Golden manokana fa fikarohana niainga avy amin’ny hetahetampon’ny olona eny ifotony sy ireo mpikaroka Malagasy amin’ny lohahevitra tena heverin-dry zareo fa tokony hanaovana fikarohana mikasika ny fiovan’ny tontolo iainana ka misy fiantraikany amin’ny fahasalamana. Tamin’alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny National Geographic Society, National Science Foundation, Rockefeller Foundation, Wellcome Trust, DEFRA (UK), Margot Marsh Biodiversity Fund, ary Mohamed bin Zayed Conservation Fund dia lasa fikambanana matanjaka manao fikarohana i MAHERY. Ankoatra izany, manome sy mizara traikefa mivantana eny ifotony ho an’ireo mpianatra Amerikanina sy Malagasy i MAHERY.

Nanomboka tamin’ny taona 2004 dia nifantoka manokana tamin’ireto fikarohana ireto i MAHERY:

    (1)Ny vokatry ny fihazana mihoa-pampana sy ny fahalanian’ny bibidia amin’ny lafiny tsifanjariantsakafo sy ny
    fanjariantsakafo
    (2)Ny fiantraikan’ny fitantanana ny harena an-dranomasina sy ny jono amin’ny lafiny tsifanjariantsakafo sy ny        
    fanjariantsakafo
    (3)Ny sakana samihafa amin’ny fahazoana fitsaboana sy fihinanan-tsakafo mahasalama
    (4)Ny fampiasana ny fanafody nentim-paharazana avy amin’ireo mponina eny an-toerana
    (5)Ny finankinanam-poana toy ny “pica” sy ny “geophagy”
    (6)Ny fifindran’ny aretiny azo avy amin’ny fihazana sy ny fihinanam-bibidia
    (7)Ny andraikitry ny fambolena sy ny fiompiana mba hahazoana sakafo mahasalamana
    (8)Ireo karazan’aretina mifindra vokatry ny fiovan’ny tontolo iainana (ohatra: ny tazo moka)
   
 Ny tetikasam-pikarohana voalaza ireo dia niaraha-niasa tamin’ny fikambanana teto an-toerana, Amerikanina          
 manampahaizana sy mpianatra Malagasy ka nahazoan’izy ireo traikefa amin’ny fanaovana fikarohana izayhifarimbonan’ny sehatra sy taranja maro.

Mahery MG

Website via Visura

Mahery MG is integrated to:
Visura site builder, a tool to grow your photography business
Visura's network for visual storytellers and journalists
A photography & film archive by Visura
Photography grants, open calls, and contests
A newsfeed for visual storytellers